ALVARO : rivodoza voalohany hiditra eto Madagasikara

  • 31 décembre 2023
Faritra andro ratsy ao amin’ny lakandranon’i Mozambika : lasa rivodoza, nomena anarana ALVARO, hiditra an-tanety rahampitso aty Madagasikara
Araka ny fampahafantarana nataon’ny Foibe famantarana ny toetr’andro dia nitombo hery ka lasa rivodoza ilay « Dépression Tropicale » ao amin’ny lakandranon’i Mozambika ary nomena ny anarana hoe « ALVARO » izy tamin’ny 03 ora teo.
Any amin’ny 498 Km andrefana somary avaratra andrefan’i Morombe no nisy ny foibeny. Mikisaka miantsinanana somary atsimo atsinanana izy ka mahafaka 13 Km/ora. Niakatra ho 65 Km/ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 90 Km/ora manakaiky ny foibeny.
Vinavinaina hiditra an-tanety eo anelanelan’i Belo sur mer sy Toliara II izy rahampitso hariva na ny alina. Tombanana hitondra tafiotra manodidina ny 90 hatramin’ny 100 Km/ora i « ALVARO » amin’izay fotoana izay. Hanomboka hikasika ny morontsiraka andrefana kosa ny rahona mialoha azy rahampitso maraina.
Mba ho fiomanana manoloana ity ambana ity dia entanina ireto distrika ireto mba hampihatra ny fepetra mikasika ny filazana loza miloko mavo (loza manambana) : MORONDAVA, MANJA, MOROMBE, TOLIARA I-II
Iangaviana ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Maintirano sy Toliara mba tsy hiandriaka intsony satria hiharatsy ny toetry ny andro. Entanina ny rehetra mba hanaraka akaiky ny ho fivoaran’ity rivodoza ity ary hanaraka mandrakariva ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony.
Partagez :
Mahandry