Alaotra Mangoro: Paikady hiarovana ny vokatry ny tantsaha sy hitsinjovana ny mpanjifa

  • 22 mai 2023

“Tsy tokony ho latsaky ny 1500Ar/kg ny vidin’ny vary akotry mba tsy hahafatiantoka ny mpamokatra”, io no vinavina niarahana tamin’ireo vondron’ny tantsaha tonga nanotrona ny lanonam-panokafana ny taom-pijinjana sy fanangonam-bokatra ny sabotsy 20 may 2023 lasa teo.

Paikadin’ny ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana (MICC) sy ny Orinasa SPM, hitsinjovana ny mpanjifa sy ho fiarovana ny vidin’ny vokatry ny tantsaha, amin’ny vanim-potoanan’ny maitso ahitra. Hisy araka izany ny fiaraha-miasa hanatanterahana fanangonam-bary any amin’ny faritra Alaotra Mangoro.

Taorian’ny lanonam-panokafana  dia nidina ifotony avy hatrany tao amin’ny Kaominina Andrebakely Distrikan’ Amparafaravola ny SPM sy ny MICC ho fanomanana ny fanangonam-bokatra ho ataon’ity orinasa ity.

Tonga nanotrona izany ny Governoran’ny Faritra ,ny Solombavambahoaka, ny Talen’ny Varotra Anatiny (DCI) avy eto amin’ny MICC, ny Tale jeneraly mpisolo toeran’ny SPM, ny Filohan’ny CCI Alaotra Mangoro, ireo Ben’ny tanàna, mpandraharaha ara-bary sy tantsaha mpamokatra.

 

Partagez :
Mahandry