Alaotra Mangoro: hitondra voka-tsoa ho an’ny tanora ny fananganana ny Tranoben’ny serasera

  • 9 février 2024

Hanofana ireo tanora ao Alaotra Mangoro amin’ny resaka teatra, hosodoko, informatika ary karazana mozika ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina amin’ny alalan’ny fametrahana ny rantsan’ny ANAC any an-toerana. Ho asiana rantsan’ny “Centre d’incubation en entrepreneuriat culturel” koa mba ho fanampiana ireo tanora manana talenta, hevitra sy tetikasa hamadika izany ho orinasa.

Notokanan’ny Filohan’ny Repoblika sy ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina androany 9 febroary 2024 ny tranoben’ny serasera ao Alaotra Mangoro izay mitondra ny anarana hoe Mangoro izay natsangana tao anatin’ny 2 taona. Fahafito notokanana taorian’ny Tranoben’ny serasera any Antsiranana, Mahajanga, Toamasina, Fianarantsoa, Antsirabe ary Ambatondrazaka. Tranoben’ny serasera 2 ankehitriny no hita ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro.

Ahitana efitrano lehibe fanaovana fampisehoana na fijerevana horonan-tsary antsoina hoe « Auditorium Betatoato » ao an-toerana, misy koa ny efitrano fanaovana fampisehoana mivelatra (salle d’exposition), toeram-pamakiam-boky, efitrano fanaovana informatika, efitrano fivoriana ary efitrano ho an’ny holafitry ny mpanao gazety ary nasiana rantsan’ny Ivotoro, ny ANAC ary ny “Centre d’incubation en entrepreneuriat culturel”.

Ankoatra izay dia nanolotra zava-maneno feno ho an’ny « Auditorium Betatoato » ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina mivady.

Partagez :
Sissie Raveloson