Akany mitaiza zaza iharan’ny herisetra Morondava : misedra olana amin’ny fitomboan’ny ankizy vavy raisiny

  • 11 juillet 2022

Tsy ampy ny trano handraisana ireo ankizy vavy iharan’ny herisetra ao amin’ny akany Fifaliana Morondava. 12 no zakan’ny fotodrafitr’asa nefa 18 ireo tezaina ao, manodidina ny 06 hatramin’ny 18 taona. Mianatra any an-tsekoly toy ny ankizy rehetra izy ireo ary omena fiofanana momba ny asa tanana toy ny zaitra sy nahandro rehefa fotoana tsy fianarana.

Tamin’ny taona 2019 no nijoro ny sekoly hoy Masera Ravololomboahangy Alice, izay manana foibe any Antananarivo. Manao antso avo amin’ireo malala tanana izy satria mitombo ny herisetra raha ny fitarainana tonga ao amin’ity akany Fifaliana Namahora Morondava ity.

Tonga nanolotra kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro toy ny savony, serviettes hygiéniques, menaka sakafo ary sardine, ho azy ireo sy ny voafonja ny Fondation BOA Madagasikara tamin’ny alalan’ny filohany Sidika Akbaraly.

Fantatra koa nandritra izany fa tsy ampy ny fanafody itsaboana ireo voafonja ao Morondava ary nangataka ny hijerena ny hanatsarana ny trano fonenana izy ireo.

 

Nanamafy ny filohan’ity Fondation ity fa tsy hadino ny voafonja satria olombelona ihany na dia beazina ao amin’ny fonja aza ka maniry mba ho fitaratra ianareo aorian’izao hoy izy. Niampy kidoro éponge miisa 910 ny tolotra ho azy ireo.

Partagez :
Mahandry