Economie

AirMad : hihena hatramin’ny30 % ny saran-dalana

Azo ahena hatramin’ny 30 isan-jato ny saran’ny sidina anatiny eto Madagasikara hoy ny Minisitry ny Fitaterana , Tinoka Roberto, mba ho zakan’ny sarambabem-bahoaka.

Isan’ny fanatsarana ny kaompaniam-pitaterana AirMad amin’izao fotoana izao. Mandalo fotsiny ihany ilay fiaramadinina hofain’ny Madagasikara Airlines amin’izao hoy hatrany ny Minisitry ny Fitaterana. Efa andalam-panamboarana ny fiaramadinina A340 izay an’i Madagasikara. Haharitra 3 volana eo ny fanamboarana izany ary ny fanofanana ireo mpanamory kosa iray volana.

Vinavinaina ho efa-bolana araka izany no hanofana ilay fiaramadinina vonjimaika. Fanitsiana ara-dalàna na « redressement judiciaire » no tsy maintsy atao noho ny habetsahan’ny trosa mbola tsy voahefa. Ny « licence » AirMad ihany no ampiasain’ny Madagascar Airlines saingy kosa ho afa-trosa ity farany. Ny tribonaly ihany no hanapaka ny fanefana ny trosa rehetra.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer