Ady amin’ny kolikoly: Anjakan’ny fahalovana ny tontolon’ny fananan-tany

  • 27 août 2021

Lohalaharana hatrany eo amin’ireo trangana fitorohana kolikoly ny eo anivon’ny fananan-tany isan-taona. Voaresaka ao anatin’izany avokoa ireo sampan-draharaha samihafa misy manerana an’I Madagasikara; eo ihany koa ireo mpisehatra mifanerasera sy mampiasa azy, araky ny tatitra hoan’ny taona 2020 navoakan’ny birao mahaleo-tena misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny Bianco.

“Be ny ezaka efa natao na ara-drafitra na fanentanana samihafa” hoy ny tale jenaralin’ny BIANCO Andrianirina Laza Eric; ary izany indrindra no nanitarana ny paikady fampandraisana anjara ny eny ifotony mba hampahomby ny fomba fiasa. “Ny fanabeazana ny tsirairay no hifotorana satria ny olona zatra ilay fihetsika mandeha hoazy na miandry ny BIANCO vao mandray andraikitra.”

Nahazo laka ihany koa, raha araky ny tatitra farany navoakan’ny BIANCO ho an’ny taona 2020 ity, ny fanodikodinam-bolam-panjakana. Amin’ny ankapobeny dia nitombo ny fitorohana voaray mikasika izany.

Partagez :
Mahandry