Ady amin’ny afo : mandray anjara feno ireo mponina manodidina an’Ambatovy

  • 23 mai 2023

Ho fifehezana ny afo manodidina ny toeram-pitrandrahana dia nanohana ny ezaka nataon’ireo mponina manodidina eny ifotony ny departemantan’ny Tontolo iainana tao Ambatovy tamin’ny alalan’ny fifaninana miaro ny toerana manodidina azy ireo amin’ny afo.

Nahitana fikambanana maromaro no nifaninana nandritra ny fotoanan’ny afo tamin’ny taona 2022. Velaran-tany 3600 ha manodidina toeram-pitrandrahana no nosahanin’izy ireo ka nahatratra 176 ny fisafoana vita, 43 ny fanentanana, 6 ny fivoriana natao ary nahatratra 14 ny famonoana afo mivantana natao.

Ho fiarahabana azy ireo tamin’io vokatra io sady ho fandrisiana azy ireo ho amin’ny fanatsarana dia novatsiana masomboly tsaramaso milanja 930 kg sy borety 8 ary angady 300 isa izy ireo ny 16 mey lasa teo nandritra izany lanona izany  dia natrehin’ireo manam-pahefana sy Raiamandreny teo an-toerana izany.

Partagez :
Mahandry