Vakisiny fanefitry ny covid-19: 250.000 hatramin’ny 300.000 isa isam-bolana ny vakisiny tokony ho tonga eto Madagasika

  • 28 septembre 2021

250.000 hatramin’ny 300.000 isa isam-bolana ny vakisiny tokony ho tonga eto Madagasika raha toa ka vinavinain’ny fitondram-panjakana ho 8 000 000 no tonga eto amin’ny ankapobeny. “Tsy maintsy tsikelikely no fahazoana  ny vakisiny ary tsy manova na inona na inona ny fahasamihafany. Manampy aza izany satria afaka manoro ny olona ny vakisiny tena mety aminy ny mpitsabo” hoy ny profesora Randriamanatany Zeliarivelo androany 28 septambra.

Hita fa efa resy lahatra amin’ny tokony hanaovana izany ny ankamaroan’ny olona. Ho fandrindrana dia tapa-bolana aorian’ny fahatongavan’ny vakisiny Janssen any amin’ny toerana andefasana azy vao hatomboka ny fitsindromana azy, Astrazeneca aloha no tohizana.

Partagez :
Mahandry