• 10 juillet 2024
Tonga androany 10 jolay ny menaka mavetsatra ” fioul lourd”. Manomboka mameno kamiao ny Jovenna izay mpamatsy izany amin’izao ary hanaparitaka izany manerana ny Nosy.
Na eo aza izany mbola hiatrika fahatapahan-jiro mifandimby ao anatin’ny roa andro ny tambazotra iraisan’Antananarivo sy ny toerana maro hafa hoy i Ron Weiss, tale jeneralin’ny Orinasa Jirama nanoloana ny mpanao gazety.
Namafisin’ity tale jeneraly ity fa tsy maintsy niditra tamin’ny fahatapahan-jiro nifandimby ny orinasa mba tsy hahatongavana amin’ny fahatapahana faobe. Natao izany na dia misy aza ny tahiry eo anivon’ny tobim-pamokarana herinaratry ny Jirama sy ny mpaninjara solika Jovenna.
Partagez :
Sissie Raveloson