• 10 juillet 2024

Tonga androany 10 jolay ny  menaka mavetsatra ” fioul lourd”. Manomboka mameno kamiao ny Jovenna izay mpamatsy izany amin’izao ary hanaparitaka izany manerana ny Nosy.

Na eo aza izany mbola hiatrika fahatapahan-jiro mifandimby ao anatin’ny roa andro ny tambazotra iraisan’Antananarivo sy ny toerana maro hafa hoy i Ron Weiss,  tale jeneralin’ny Orinasa Jirama nanoloana ny mpanao gazety.

Namafisin’ity tale jeneraly ity fa tsy maintsy niditra tamin’ny fahatapahan-jiro nifandimby ny orinasa  mba tsy hahatongavana amin’ny fahatapahana faobe. Natao izany na dia misy aza ny tahiry eo anivon’ny tobim-pamokarana herinaratry ny Jirama sy ny mpaninjara solika  Jovenna.

Partagez :
Sissie Raveloson