• 24 mai 2024

Fahatapahan-jiro : Haharitra roa andro ny fanamboarana ao amin’ny « Tana Sud Anosizato ». Faritra maro araka izany no tsy maintsy hiaran’ny fahatapahan-jiro mifandimby toy ny any Arivonimamo hatrany Soavinandriana, Isotry, Itaosy sy ny manodidina ary i Mandroseza.

Niatomboka tamin’ny fahamaizana ” tête de câble” iray ny olana ary niitatra tamina fahamaizana ” tête de câble” miisa 3 hafa. Tsy manana tahiry hafa hanoloana ny fitaovana simba ny orinasa Jirama fa tsy maintsy manafatra izany amin’ny toerana hafa raha ny fanazavana noentin’i Manda Ny Aina Nomena, sefon’ny famokarana herinatra ( RIA) androany 24 may.

Partagez :
Mahandry