• 25 avril 2024

Zaza tsy ampy taona manodidina ny 8 hatramin’ny 13 taona indray no ataon’ny dahalo fitaovana ao Morondava araka ny fanazavan’ny Commissaire de police ao amin’ny distrikan’i Morondava, Ravalinandrasana Maurice. Kisoa miisa 5 sy lelavola 1 400 000 Ariary no nangalarin’izy ireo.

Vokatry ny fidinana ifotony sy ny fanentanana natao tany an-toerana, dia  nahazo namana fanampiny ny teo anivon’ny polisim-pirenena ka nahafahana nifehy ireo faritra mena araka ny vaovao voaray. Antony nahatonga ireo olon-dratsy nanova ny paikadiny ka maniraka ireo zaza tsy ampy taona hanao asa ratsy

Partagez :
mialy