• 1 mars 2024

Eo am-pamolavolana programa mazava hamahana ny olan’ny rano ny minisiteran’ny Rano, Fidiovana sy Fahadioavana, ary iaraha-miasa amin’ny JIRAMA izany, raha ny nambaran’ny minisitry ny Angovo sy Akoranafo, Jean-Baptiste Olivier. Samy ahitana olana avokoa na ny famokarana na ny famatsiana rano eto Madagasikara. Anisany miteraka izany ny fahanteran’ny fotodrafitrasa. Ho an’ny Angovo sy ny Akoranafo, maro ny tetikasa ankoatran’ireo tratrarina anatin’ny 100 andro.

Tanjona ny hampiakarana tolotra amin’ny lafiny famatsiana. Tafiditra ao anatin’izany ny fanaovana ”hybridation” na ny fanafangaroana herinaratra amin’ny solika, toy ny efa napetraka ao Ambatondrazaka sy Morondava. Tsy ampy ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro na ny ”panneau solaire” fa ilaina koa ny ivotoeram-pamatsiana herinaratra ”Central thermique”. Tsiahivina, kaontenera miisa 300 no hafarana hanampiana amin’ny famatsiana eto Madagasikara, izay haparitaka amin’ny distrika maro. Mitotaly 50MGW izany, ka samy hanana manodidina ny 1MGW avy. Mampihena ny fandaniana solika izant ary miaro ny tontolo iainana koa.

Partagez :
Nirinasoa Tafita