Voly géranium anaty ala voajanahary : nopotehan’ny ministera

  • 25 mai 2021
Antananarivo, 25 mai 2021 (DDIT): Niroso tamin’ny famotehana ireo voly  »géranium » anaty ala voajanahary Ambatofitorahana ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy. Nambaran’ny minisitra, Baomihavotse Vahinala fa tafiditra ao anatin’ny  »crime environnemental » ny mamboly, ny mitrandraka vato na volamena, ny manao harina fandrehitra anatin’ireny faritra arovana ireny, ka izany no anton’ny fanapahan-kevitra.
Marihana fa efa nisy fampitandremana ireo mponina any an-toerana tao anatin’ny volana vitsivitsy mialohan’izao, raha ny nambaran’ny minisitra. Nihalany tamingana ny ala mandrakotra ny lalam-pirenena fahafito hatreo Ambositra mihazo an’i Fianarantsoa, tao anatin’ny 20 taona.
Ta Fy
Partagez :
Mahandry