CUA : hisitraka fitaovana avy amin’ny JICA hanatsarana ny fanalàna ireo fako eto Antananarivo.

  • 19 janvier 2024

Hisitraka fitaovana maro toy ny “camions multi-bennes” miisa 32 sy “camions-benne” miisa 6 ho fitanterana ny fako;  “camions-benne” miisa 2 hiasana ao Andralanitra ;  “bulldozer” 1 ; “excavateurs” miisa 2 ; daba pako miisa 189 ; “pick-up” 2 ; kodiaran-droa tsy mataho-dalana miisa 8 ary ireo kojakoja rehetra ilaina amin’ny fikoloana sy fanamboarana ireo fitaovana ireo avy amin’ny “Agence Japonaise de Coopération Internationale (JICA )” ny kaominina Antananarivo renivohitra ho fanatsarana ny fanalana ireo fako mivaingana.

Vinavinaina ho voarain’ny Kaominina tanteraka ireo fitaovana ireo ny volana Febroary 2024 ho avy izao ao aorian’ny fampianarana ho sitrahan’ny mpiasan’ny SMA amin’ny fampiasana azy. Marihina fa izao tohana izao dia vokatry ny tetikasa GESDA izay notanterahina nanomboka ny volana Febroary 2023, teo ambany fitantanan’i Naina Andriantsitohaina, Ben’ny Tanàna teo aloha.

Partagez :
Mahandry