• 18 janvier 2024

Fitaovana  toy ny fauteuil roulant, fitaovana atao amin’ny sofina ho an’ireo marenina, tehina fotsy , seau, zinga , bodofotsy, fehezan-karona misy vary sy ronono no natolotra ireo tokatrano mitaiza olona manana fahasemabanana tao amin’ny fokotany Manjakaray boriboritany fahadimy androany 18 Janoary 2024.

Hetsika sosialy nataon’ny minisiteran’ny mponina notarihan’ny Minisitra FAMENONDRAZA Haingo Elisette, ho famampiana sy ho fanajana ny zon’ireo olona manana fahasembanana eny amin’ny firahamonina misy azy. Tonga  nandray azy ireo ny solombavam-bahoaka ny boriboritany fahadimy Naivo Raholidina.

Partagez :
Mahandry