• 16 novembre 2023

54,6 isan-jato ny taham-pavitrihana teto Andranomanalina Isotry, io aloha no heverina fa isan’ny tahan’ny fandraisana anjara ambony  amin’ity fifidianana ity hatreto.

Nizotra am-pilaminana ny fifidianana natao manerana an’i Madagasikara, hoy ny filohan’ny CENI Dama Andrianarisedo. Misaotra ny vahoaka malagasy tamin’ny fahamatorana sy fanehoana fitiavan-tanindrazana ny filohan’ny CENI.

Nanamafy koa izy ny amin’ny fanentanana ny hitandroana ny vokatra. Misy rahateo ny fepetra napetraka hiarovana ny fampiakarana izany voka-pifidianana izany.

 

Partagez :
Mahandry