• 15 novembre 2023

Notanterahina omaly 14 Novambra 2023 tao amin’ny Cercle Mess Betongolo ny atrikasa mialohan’ny fankatoavana ny asa famolavolana ireo toromarika momba ny fanitsian-drafitra ao anatin’ny fe-potoana 2024-2028.

Zava-dehibe ny fanitsian-drafitra eo anivon’ny tafika malagasy satria miantoka ny fandriam-pahalemana ho an’ny mpiray tanindrazana. Nisy ny fanehoana ny asam-boamiera sy famelabelarana ireo hevitra tapaka nandritra ny asam-boamiera ary narahina ady hevitra.

Tanjona amin’ity atrik’asa ity ny hanohy ny fanatanterahana ny fanitsian-drafitra nisy teo anivon’ny tafika malagasy nanomboka ny taona 2019. Tonga nitarika ity atrikasa ity ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Ramasy Razafindrakoto Heritiana izay nisolo tena ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotoarijaona Josoa niaraka tamin’ny Lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin sy ny Amiraly Ga Jacquis Honoré, ary ny Tale jeneraly mpandrindra amin’ny ankapobeny ny tetik’asa eo anivon’ny Minisitera.

Partagez :
Mahandry