• 14 septembre 2023

Ranomboakazo tombanana ho 30 tapitrisa ariary na 6 000 euros mahery no simba tany anaty sambo. Fifanindrian’ny entana tao anatin’ilay sambo no voalaza ho  nahasimba azy ireo.

Nodorana tetsy Ambohimangakely avy hatrany ireto entana simba ireto, taorian’ny fampahafantarana nataon’ny orinasa mpanafatra ny entana teo anivon’ny Fiadidian-draharaha misahana ny fiarovana ny mpanjifa (DPC) eo anivon’ny minsiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana.

Nambaran’ny minisitera fa mipetraka hatrany ny fiaraha-miasan’ny eo aminy sy ny mpandraharaha amin’ny fanomezana entana ara-pahasalamana sy manara-penitra ho an’ny mpanjifa.

Partagez :
Carinah Mamilalaina