• 18 août 2023

Vokatry ny famaizana trano miisa 126 tafo tao amin’ ny distrikan’ Antalaha, ny 27 Jolay 2023 lasa teo  dia tonga  nizara fanampiana ho an’ ireo niharan- doza ny fitondram- panjakana tamin’ ny alalan’ ny BNGRC. Sarotra ny famoana ny afo noho ny fiantombohan’ izany avy any ambony rihana .

Fanampiana izay milanja 3 taonina latsaka kely ahafahan’ izy ireo miarina tsikelikely ka nozaraina vary 25 kilao , voamaina 5 kilao , siramamy 2 kilao , sira 2 fonosana ,lamba firakotra , vilany , vilia sy sotro ary sotrobe isam- pianakaviana ary nanolotra vatsy tsinjo ny avy amin’ ny Fiadidian’ ny Repoblika amin’ ny alalan’ ny DASP ,ka samy nisitraka izany avokoa ny isan-tokatrano.

 

Partagez :
Mahandry