• 22 juin 2023

Nodimandry tao amin’ny Nosy Maorisy io maraina io ny  Solombavambavoakan’i Madagasikara Rémi  Jao Jean  voafidy tao amin’ny Distrikan’ Antsohihy, Faritra Sofia rehefa nivahiny 67 taona teto an-tany.

Nolazoin’ny aretina fotoana lavalava izy, ary nalefa notsaboina tatsy amin’ny nosy Maorisy no izao tsy tana izao ny ainy, izy izay mbola nanam-pikasana ny hirotsaka hofidiana ho depiote fanin’eniny amin’ny taona 2024.

Efa mpikambana tao amin’ny antoko RPSD izy, saingy vovonana politika samihafa no efa nisy azy sy nirotsahany hofidiana toy ny VPM-MMM ary farany teo ny IRD. Efa mpikambana CST ihany koa izy tamin’ny tetezamita.

Partagez :
Njaka Randria