• 21 juin 2023
Ho tapaka amin’ny ampahany ny lalam-pirenena faha sivy (RN9), mandalo amin’ny tanànan’i Bevoay eo amin’ny PK 189+900 hatreo amin’ny PK 192+380 araka ny fampitam-baovaon’ny ministeran’ny Asa vaventy. Manomboka ny 22 jona 2023 hatramin’ny 24 jona 2023, amin’ny 4 ora maraina hatramin’ny 2 ora tolakandro ny fotoana ahatapahany.
Noho ny fandrakofana tara ny arabe amin’io ampahan-dalana io no anton’ny fahatapahana. Hiverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana aorian’io fotoana io.
Partagez :
mialy