• 16 juin 2023
Manome antoka ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabezam-pirenena fa tao ambany fanaraha-maso tanteraka ary narahana amin’ny antsipirihany ny fitandremana rehetra amin’ny fanadinam-panjakana CEPE.
Resahana amin’izany ny ambana mialoha, mandritra ary aorian’ny fanadinana. “Efa any anivon’ny sampana rehetra mandray azy ny laza adina CEPE amin’izao. Anisany mandray izany ny zandarimariam-pirenena sy ny kaomisaria” hoy ny talen’ny fanabeazana (DGP), Andriamiakatsilavo Raoniherijaona. Ny 20 jona izao no hiatrika ny fanadinam-panjaka CEPE ny zanaka Malagasy miisa 515 081.
Partagez :
Sissie Raveloson