Fiaraha-miasan’i Madagasikara sy Chine : fianakaviana marefo miisa 310 no nisitraka fanampiana

  • 31 mai 2023

Fianakaviana marefo miisa 300 no notoloran’ny ministeran’ny Mponina fanampiana toy ny vary, menaka ary fampitaovana ireo ankizy madinika toy ny fitaovam-pianarana  androany 31 mey 2023  tetsy amin’ny MAD CAP sy Seba Isotry izay  toerana fandraisana ireo tsy manan-kialofana. Ankoatra izay dia nisy ihany koa ny fizaham-pahasalamana natao tamin’ireo ankizy.

 

« Fanomezana avy amin’ny vadin’ny filoham-pirenena sinoa ary natolotra ny firenena afrikana miara-miasa izao, ary an’isany  nisitraka izany i Madagasikara, izay mifanandrify amin’ny vanin’andro hanamarinana ny iray volan’ny ankizy » hoy Soafilira Princia minisitry ny Mponina androany.

 

Tonga nanatrika izany ny masoivohon’ny Chine eto Madagasikara.

Partagez :
Carinah Mamilalaina