• 30 mai 2023

RN°7 : akon’ny fankalazana ny fetin’ny alatsinain’ny pantekoty 2023

Nanatanteraka fidinana ifotony teny amin’ny lalam-pirenena faha-07 amin’ny fisavana ny tahan’alikaolan’ireo mpampiasa lalana: ny Fiara sy ny moto, ireo zandary avy ao amin’ny brigadin’Andoharanofotsy ny omalin’ny alatsinainy pantekoty 2023.

Mpamily miisa 303 no voasava nandritra izany ka fiara ny 219 ary moto ny 84. Ny 11 tamin’izy ireo no nahitana tahan’alikaola be loatra (fiara: 07, moto: 04), nomena fampitandremana avy hatrany izy ireo ary nogiazana tsy navela handeha intsony kosa ireo nahitana fimamoana teo am-pamiliana.

Izany hetsika izany dia isan’ireo fepetra noraisina mba hampihena ny lozam-pifamoivoizina nandritra iny fetin’ny alatsinain’ny pantekoty 2023 iny.

Partagez :
Mahandry