• 25 mai 2023
Rongony milanja 134 kg mahery, tao anaty gony 14, no saron’ny polisy tao amin’ny fokontany Tsarafidy, kaominina Ihosy, faritra Ihorombe ny alin’ny 17 mey 2023. Nodorana avy hatrany izany androany 25 mey 2023, taorian’ny fahazoana ny didy fahafahana mandoro avy tamin’ny Fitsarana.
Loharanom-baovao avy amin’ny Andrimasom-pokonolona no nahafahana nanatratra ireto zava-mahadomelina ireto. Tsy nisy olona tratra niaraka tamin’ireo rongony ireo.
Partagez :
mialy