• 22 mai 2023

Nahitam-pihenana ny tahan’ny zaza Malagasy hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE 2022-2023 raha oharina tamin’ny taom-pianarana 2021-2022.

525.111 ny mpiadina tamin’izany raha 515. 081 izy ireo amin’ity.  Misy elanelana 10.030 na 1,96% araka izany ny taha. Fantatra fa ny 99 amin’ ireo zaza hanala ny fanadinana CEPE no manana tsy fahatomombanana ara-batana.

Eto Antananarivo no ahitana mpiadina betsaka indrindra. Tafakatra 169 022 izany ary mitsinjara amin’ny ivon-toeram-panadinana miisa 572. Manaraka azy ny ao Fianarantsoa, miisa 95 573 ireo mpiadina ary mitsinjara amin’ny ivon-toeram-panadinana miisa 411. Mpiadina 83 263 kosa ny ao Toamasina ary mitsinjara amin’ny ivon-toeram-panadinana miisa 376

Partagez :
Sissie Raveloson