• 17 mai 2023

Hetsika « Tselatra sakelika » : dahalo telo tratra, omby 15 tafaverina amin’ny tompony

Tra-tehaky ny mpitandro ny filaminana ireo dahalo miisa 3 tao amin’ny Kaominina Bekodoka , distrikan’i Besalampy ny 16 may 2023 tamin’ny 4 ora sy sasany hariva. Omby 15 no tafaverina taorian’ny fanarahan-dia notontosain’ireo miaramila tamin’io fotoana io

Raha tsiahivina dia nitrangana halatr’omby tany an-toerana tao amin’ny valan’omby eo amin’ny vavaranon’ny Sambao ny 15 may lasa teo ka izao nahitana vokatra tsara izao ny fiaraha-mientan’ny mpitandro ny filaminana  sy ny fokonolona tao Betapy.

Partagez :
Mahandry