• 24 janvier 2023
Kolontsaina : tanterahina izao hariva izao ny fifidianana ny mpikambana vaovao ao amin’ny filan-kevi-pitantanana ny OMDA
Tanterahina amin’izao fotoana izao etsy amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena, Mahamasina, ao anatin’ny fivoriam-ben’ny mpanakanto, ny fifidianana ny mpikambana vaovao eo anivon’ny filan-kevi-pitantanana ny Ofisy malagasy miahy ny zon’ny mpamorona (OMDA).
Mpanakanto fito no mirotsaka hofidina eo amin’ny sokajy mozika : Tonton Pa, Zoky Vonjy, Rija Oelijaona, Jaojoby, Meizah, Ejema ary Mamibe.
Partagez :
Mahandry