• 1 février 2023
Niainga androany teny amin’ny CHUJRA Ampefiloha ny « Caravane médicale » handray an-tanana ara-pahasalamana maimaimpoana ireo mpiray tanindrazana niharam-boina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso. Hihazo avy hatrany ny distrikan’i Marovoay, Faritra Boeny izy ity.
Tanterahana rahampitso 2 febroary tontolo andro ny fizahana ara-pahasalamana. Miara-miasa amin’ny fanatanterahana izany ny « Association Fitia » sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ary ireo mpiara-miombonantoka maro.
Niatrika ny fiaingana, i Gabhy ANDRIAMANANTENA, Talen’ny Kabinetran’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka
Partagez :
Mahandry