• 2 février 2023
Zana-kazo miisa 5000 amin’ny velaran- tany 5 hektara no hovolen’ny Vondrona Laika Kristianina Mpikatroka (VLKM), eny amin’ny tanin’ny Antily eto Madagasikara Ambohidratrimo, ny faha-4 febroary izao, izay iaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana lovainjafy.
“Rehefa mitandro ny tontolo iainana, dia isany mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena, hoy ny sekretera jeneralin’ny VLKM, Razafindrabe Mamy.
Mifototra amin’ny fifankatiavana sy fivondronanana mitandro ny zo aman-kasin’ny maha olona ny VLKM. Noho izany manana zo hiaina ao anatin’ny tontolo iainana tsy misy fahasimbana ny tsirairay, raha ny fanazavany.
Partagez :
Mahandry