• 26 janvier 2023
Filazana loza mitatao, miloko mena ho an’Ampitatafika, araka ny filazana fandehanan’ny renirano eto amin’ny lemak’Antananarivo navoakan’ny APIPA androany alarobia 26 janoary tamin’ny 08 ora maraina . Nilaozana ny refy 2,50 m refy tokony ho izy. Efa 2,68 m amin’izao ny rano eo Ampitatafika andalovan’ny renirano Sisaony. Na izany heverina hidina ny rano ao anatin’ny 12 ora. 3,50 m ny refy fanairana loza mitatao, mena, eo Ampitatafika.
Naharay filazana loza manambana, miloko mavo, ho an’ny lemak’Antananarivo izay lalovan’ny renirano Sisaony.
Ireto avy ireo faritra ireo : Tsiafahy, Antsahadinta, Bongatsara, Antanetikely, Ambohijoky, Alatsinainy Ambazaha, Ampahitrosy, Soalandy, Ampanefy, Soavina, Anosizato Andrefana, Ampitatafika, Ambahavahaditokana, Fenoarivo, Itaosy, Ambohitrimanjaka, Fiadanana, Ampangabe.
Partagez :
Mahandry