• 26 janvier 2023
Manomboka ny fanamboarana ny asa maika tsy maintsy atao amin’ny lalam-pirenena faharoa, mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, araka ny vaovao voaray avy amin’ny minisiteran’ny Asa Vaventy. Natomboka teo amin’ny PK 40, ao Manjakandriana, izany.
« Ny asa atao amin’izao fahavaratra izao dia ny fanatsarana ny fahamoran’ny fivezivezen’ny fiara, fanotofana ny lavaka iandronan’ny rano ary ny fametrahana fantsona sy lakandrano handehanan’ny rano hiarovana ny arabe. Rehefa tsara ny andro dia ny fanamafisana ny “couche de base” ary ny fametrahana ny tara no asa hotanterahina.
Nidina nijery ny fandroson’ny asa ny minisitra Hatrefindrazana Jerry sy ny ekipan’ny minisitera.
Partagez :
Mahandry