• 27 janvier 2023
Miato mandritra ny fotoana tsy voafaritra ny fanomezana pasipaoro manomboka ny 30 janoary raha ny fampitam-baovao avy amin’ny polisim-pirenena androany 27 janoary. Fanapahan-kevitra noraisina noho ny fandaminana ara-teknika eo anivon’ny Sampan-draharaha pasipaoro izao.
Afaka misitraka izany kosa ireo olona marary mila fitsaboana (évacuation sanitaire) any ivelany sy ireo mpamita iraka raha voaporofo ara-taratasy izany.
Partagez :
Mahandry