Brèves

Fantatra ny 9 novambra ireo 3 voalohany nibata ny amboara tamin’ilay fifaninana horonan-tsary fohy manodidina ny fankalazana ny faha 50 taonan’ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin’ny Sina sy Madagasikara.

Nilohateny hoe ny « omaly sy ny ampitson’ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy Sina izay tonga eo amin’ny 50 taona nisiany « ny fifaninana. Niisa 40 ny mpandray anjara tamin’izany. Mpanao gazety ny roa tamin’ireo. Nibata ny laharana voalohany i Andrianjakamiaramanana Sedra Miora avy Mahajanga, faharoa ny mpanao gazety tao amin’ny Matv raha laharana faha telo kosa i Rakotobe Lanto mpanao gazety ao amin’ny Radio Madagasikara. Notolorana  solosaina Huawei ny laharana voalohany , finday Xiaomi ny laharana faharoa ary « famataranandro raitra Huawei ny laharana fahatelo.

Nokendrena tamin’ny fikarakarana ity fifaninana ity ny fanamafisana ny fiarahamiasa sy ny firahalahiana eo amin’ny firenena roa tonta. Ny masoivohon’i Sina, ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny Malagasy ary ny Tvplus no nikarakara ny fifaninana.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Voir Aussi

Fermer