Politique

Mpiraki-draharaha : hitsinjo ny vahoaka

Handinika ny fomba hanamaivanana ny fitokonana ny mpiraki-draharaha mba hitsinjovana ny olom-pirenena misitraka ny raharaha iandraiketan’izy ireo, hoy ny filohan’ny Sendikan’ny mpiraki-draharaha eto Madagasikara, taorian’ny fihaonana an-databatra boribory tamin’ny minisiteran’ny Fitsarana androany 10 oktobra.

Voaresaka nandritra ny fihaonana, hoy izy, ny fomba amahana ny olana, ary hita soritra ny ho fivahany. Raharaha ilain’ny mponina andavanandro ny asan’ny Fitsarana, hoy ny minisitra Rakotozafy François. Izany no nidinihana tamim-pirahalahiana ny vahaolana sy ny fomba hampandehan-draharaha.

Nampahatsiahivina nandritra ny fihaonana koa, hoy ny minisitra, ny zo sy adidy amin’ny maha mpiasam-panjaka ny mpiraki-draharaha. Naharitra adiny efatra ny fifampidinihana.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer