Brèves

Nanomboka omaly 9 oktobra ny fankalazana ny faha-42 taona nijoroan’ny Kung-fu Wisa teto Madagasikara. Maherin’ny 400 000 reo mpikatroka ao antin’ity haiady ara-panatanjahan-tena ity maneran ny nosy ankehitriny. Hisy ny fitetezam-paritra hatao hanamarihana izany faha-42 taona izany.

Raha tsiahivina dia ny 10 oktobra 1980 no niforonan’ny Kung-fu Wisa teo Madagasikara. Nanana ny toeran’ny teo amin’ny sehatry ny fiaraha-monina sy ny lafiny politika foana izy ireo hatramin’izay. Nisafidy ny hangina nanomboka ny taona 2018 ary izao indray vao hiverina hiseho sehatra eo amin’ny tontolo politika hoy i maître Avoko.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Voir Aussi

Fermer