Andekaleka : ho tapaka mandritry ny 4 andro ny famokarana herinaratra

  • 10 octobre 2022

Ho tapaka mandritry ny 4 andro ny famokarana herinaratra avy amin’ny tobim-pamokarana Andekalekaleka. Hanomboka ny zoma 14 oktobra amin’ny 10 ora alina araka izany ny fahatapahana ary tsy hiverina amin’ny laoniny raha tsy ny talata faha-19 oktobra amin’ny 5ora maraina. Voalaza ho anton’izany ny famaranana ny asa fametrahana ny vondrom-pihary herinaratra faha 4 hoy ny Tale jeneraly mpanampy misahana ny herinaratra ao amin’ny orinasa Jirama, Randrianarisoa Désiré Marcel

Hisy fahabangana fahavokarana herinaratra hatramin’ny 89MW araka izany ny famatsiana ny tambajotra iraisan’Antananarivo sy manodidina. Hiakatra kokoa ny fahatapahan-jiro mifandimby. Hisy fiantraikany amin’ny famatsiana rano koa izany. Ezahana kosa ny hijerena izany tsy haharitra ary hizara tsara hoy hatrany ity tale jeneraly ity.

Tsy maintsy ho ritina tanteraka ny rano ao amin’ny “galerie” sy ny “conduite” makany amin’ny tobim-pamokarana izay vao afaka hametraka ny “vanne de garde”. Aharitra 22ora ny fandritana ny rano avy amin’ny “galerie” ary haharitra 44 ora kosa ny fametrahana ny fitaovana. Hisy tombony lehibe amin’ny famatsiana herinaratra izao asa izao.

Ho tafakatra 120MW ny vokatra avy ao Andekaleka. Heverina ho feno tanteraka io vokatra io any amin’ny volana janoary any. Afaka vitaina mandritra io fandritana io koa ny fitsirihana ny fasika sy ny vato ao amin’ny “galerie”. Hamokatra avy hatrany ny vondrom–pihary herinaratra telo aorian’ny asa. Handalo andrana kosa ny vondrom-pihary herinaratra faha 4. Heverina hamokatra izany aorian’ny iray herinandro.

Partagez :
Mahandry