Brèves

Manomboka ny 10 oktobra izao ny fisoratana anarana ho an’izay liana amin’ny trano mora ao Mangarano 2 fokontany 11/47 ao Toamasina. Trano mora miisa 40 no hatsangana ao an-toerana amin’ity andiany manaraka ity. Napetraka ny 7 oktobra ny vato fototra. Vinavinaina 12 volana ny faharetan’ny fanatontosana ny tetikasa. Ny  » Société d’équipements Immobiliers de Madagascar » (SEIMAD) no mandray an-tanana ny fanamboarana. Ny sekreteram-panjakana miadidy ny Trano fonenana sy ny Tanàna vaovao no nitarika ny lanonana.

Articles similaires

Laisser un commentaire