• 7 octobre 2022

Ankoatra ny lalana mampitohy an’Antsakaviro sy Antsahabe, ho tapaka koa ny lalana mampitohy an’i Soavinandriana sy Ampasapito,manomboka ny sabotsy 8 oktobra izao. Noho ny fanamboaran-dalana eny an-toerana no antony. Araka izany, mandray ny lalana “Foloalindahy Malagasy” Avaradoha ireo fiara avy any Ampasapito hihazo an’Ambodimanga Besarety , ary manohy amin’ny lalana mahazatra. Torak’izany koa ny avy any Ambodimanga Besarety hihazo an’Ampasapito. Hiverina amin’ny laoniny izany, vantany vao vita ny asa fanamboarana amin’ireo toerana ireo.

Partagez :
Mahandry