
Ho fanampiana amin’ny fampananan’asa ny tanora ao amin’ny faritra Diana, tanora miisa 100 notsongaina avy amin’ny fokontany 25 ao amin’ny tampon-tanànan’i Diego no nisitraka fampiofanana nandritry ny iray volana sy tapany tao amin’ny Centre de formation professionnel SECREN (CFTPS), tamin’ny alalan’ny fanohanana ara-bola sy ara-pitaovana avy amin’ny OIT (Organisation internationale du travail).
Sampam-pihofanana fito no nianaran’izy ireo, toy ny tuyauterie, menuiserie, maçonnerie, motoriste, infographie, tolerie ary électromécanique. Androany 06 septambra no navoaka tamin’ny fomba ofisialy ireto tanora nahavita fiofanana ireto.