Brèves

Olona dimy no namoy ny ainy, maro ny naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana androany 6 oktobra vao mangiran-dratsy teny amin’ny lalam-pirenena RN 12 mampitohy an’Irondro sy Manakara.

Teo amin’ny 12 km miala ny sampanan-dalan’Irondro hiazo an’i Manakara no niseho ny loza. Handeha handevina ny vadin’ny talen’ny “Information et de la protection civile” ao amin’ny faritra Boeny izy ireo izao tra-doza izao. Anisan’ny namoy ny ainy tamin’izany ny Chef protocole ao amin’ny faritra araka ny fampitam-baovao.

Efa tsaboina ao amin’ny hopitaly Be Manakara ireo naratra ka ny faritra Boeny no mandray an-tanana ny fitsaboana sy ny fikarakarana rehetra. Mandray an-tanana ny zava-misy rehetra any an-toerana koa ny governoran’ny faritra Fitovinany sy ny tomponandraikim-panjakana any an-toerana raha ny fampitam-baovao hatrany.

Sary : Carnets de Madagascar

Articles similaires

Laisser un commentaire

Voir Aussi

Fermer