Brèves

Vononona ny hanatsara sy hampiroborobo ny fifandraisana sy firahalahiana eo amin’i Madagasikara sy Suisse ny masoivoho vaovaon’i ity firenena ity, Rolf Stalder, izay hiasa sy honina eto Madagasikara. Noraisin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajaoelina androany 5 oktobra 2022 teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny taratasy manendry azy.

Notsipihin’ny roa tonta nandritra izany fa mafy orina ny fifandraisana ara-pirahalahiana sy ara diplomasia eo amin’i Suisse sy Madagasikara. Efa ho 60 taona mahery no nisian’izany. Anisan’ny manohana ny asa fampandrosoana ataon’ny Fitondram-panjakana malagasy i Suisse, indrindra ny sehatra sosialy, amin’ny alalan’ireo fikambanana tsy miankina maro.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Voir Aussi

Fermer