Brèves

Mila misitraka fitsaboana tsaratsara kokoa mitovy amin’ny olon-drehetra ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH Sida, izany no antom-pisian’ny  » Système Communautaire d’Alerte sur le VIH » na SYCAVI. Tonga nitsidika ny governoran’ny faritra Boeny ny Mpandrindra ny tetikasa androany 4 oktobra. Nivoitra tamin’izany ny ady amin’ny fanilikilihana ireo olona mitondra ny tsimokaretina.

Tsy sanatria handrisika ny olona marefo toy ny mpampanofa tena, ireo olona mitovy fananahana mivady ary ireo miankidoha amin’ny zava-mahadomelina no antom-pisian’ny tetikasa hoy ny mpandrindra. Ady amin’ny fanilikilihana azy ireo no atao. Nampanantena ny handray anjara amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny Sida ny Governora. Anisan’ny hataony amin’izany ny fampahafantarana ny rehetra mandritry ny fidinana ifotony ataony fa mbola misy ny tsimokaretina ka tokony hitandrina ny tsirairay.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Voir Aussi

Fermer