Brèves

Nidoboka eny Antanimora i Razile sy Selikely, anisan’ny ekipan’i Celin izay lehiben’ireo andian-jatovo mpanendaka eny amin’ny faritra Antohomadinika.

Tovovavy avy niasa no voaroban’ireto jiolahy ireto teny amin’ny « Espace Vatomanga » Antohomadinika ka lasa tamin’izany ny poketra nisy vola sy ny finday. Taorian’io dia nametraka fitoriana tao amin’ny PPA4 Antaniavo ity tovovavy voaendaka ity ka naharavan’ny polisy azy ireo rehefa natao ny fikarohana.

Marihina fa efa mpamerin-keloka ireto mpanendaka ireto izay nampiakarina fampanoavana teny amin’ny fitsarana Anosy ary efa tazomina am-ponja vonjimaika eny Antanimora. I Celin kosa no mbola karohina hatreto.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Voir Aussi

Fermer