Brèves

Nisokatra androany 3 oktobra ny taom-pianarana 2022-2023 ho an’ny mpianatra mandrato ny sampana teknika sy fanofanana arakasa manerana an’i Madagasikata. Tao amin’ny Lisea Teknika sy ny Toeram-piofanana teknika Ampasampito no nanamarihan’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy Fampiofanana arakasa, Rahantanirina Vavitsara izany ary notronon’ny talem-paritra Analamanga.

Nomarihana tamin’ny fanolorana fitaovam-pianarana ireo kilasy mendrika izany. Namafisina androany ny toromarika sy ny tanjona ankapobeny ny fampianarana teknika manerana ny Nosy amin’ity taom-pianarana ity. Nivoitra tamin’izany ny fitantana madio sy lavitry ny kolikoly, ny ady amin’ny  » corruption sexuelle », ny fampiarana ny teknolojia  » numérique » sy ny fikajiana ny tontolo iainana ary ny fampandrosoana lovain-jafy ary farany ny fanofanana tsy misy fanilihana.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Voir Aussi

Fermer