Brèves

Tafapetraka ao Atsimo Andrefana tamin’ny fomba ara-dalàna ny solon-tenam-paritra avy amin’ny vovonan’ny sehatra tsy miankina misahana ny maha olona izay tohanan’ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza sy tandindon-doza.
Tanjona ny hametrahana fifandraisana tsara kokoa eo amin’ireo mpandraharaha ao an-toerana amin’ny alalan’ny fampifangaroana angon-drakitra hoy ny eo anivon’ny BNGRC. Heverina hahazoana fahombiazana amin’ny loharanon-karena miompana amin’ny hetsika isan-karazany mandritra ny vonjy taitra sy ny fampihenana ny voina ateraky ny loza izy ity.
Adidin’ny fanjakana ny fiantohana sy fametrahana ny rafitra ara-bola ho famporisiana ny fandraisana andraikitry ny sehatra tsy miankina raha ny voalaza ao amin’ny lahatsoratra faha-27 ao amin’ny Politika Nasionaly mahakasika ny Fitantanana ny loza sy tandindon-doza.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Voir Aussi

Fermer