Brèves

Tsy hanaiky hatramin’ny farany ny fampanarahan-dalàna ny kodiaran-droa ireo  »taxi ville » eto Antananarivo.
Io ny fanambarana nataon’ny filohan’ny fikambanan’ny  »taxi ville », Raharinirina Clémence, nandritra ny fivoriana nataon’izy ireo, taorian’ny zoma nandaniana izany teo anivon’ny filankevitra monisipalin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
Tsiahivina fa nolanin’ny mpanolotsain’ny tanànan’Antananarivo ny 30 septambra teo, ny fanomezan-dalana ny taxi-moto hiasa ara-dalàna eto an-drenivohitra. Mbola nolavina kosa ny fampiasana ireo  »tricycles » toy ny  »bajaj »sy ny  »cyclopousses ». Voarara koa ny  »taxi-vélos ».

Articles similaires

Laisser un commentaire

Voir Aussi

Fermer