Brèves

Tsy mifanaraka amin’ny drafi-pifanarahana hapetraka ho an’ny kaontinanta afrikanina ny volavolan-dalana mifehy ny fampiasam-bola eto Madagasikara izay efa an -dalam-pandaniana.

Fantatra nandritry ny fivoriana karakarain’ny Faritra ara-barotra malalaky ny Kaontinanta Afrikana na ZLECAF izay tanterahana any Accra Ghana izany raha ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra ary ny Fanjifana. Voaresaka nandritry ny fihaonana koa ny zo sy andraikitry ny firenena mpikambana, ny mpampiasa vola ary ny famatsiam-bola.

Mandray anjara amin’ity fihaonana izay nanomboka ny 22 septambra ary mifarana androany 30 septambra i Madagasikara amin’ny alalan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny MICC.

Articles similaires

Laisser un commentaire