Brèves

Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny fampihenana ny loza-mpifamoivoizana an-tanety ny fampiasana fiara vaovao. Tafiditra anatin’ny fikajiana ny tontolo iainana koa izany hoy ny tompon’andraikitra. Ankoatra izay mandray anjara biriky lehibe amin’ny fampiroboroboana ny toekarena ny sehatry ny varotra fiara. Izany indrindra no nanatanterahana ny  » salon de l’auto » andiany faha 13 etsy amin’ny CCI Ivato, izay nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 29 septambra ary aharitra 4 andro.

Ny fiara tsy mataho-dalana « Pick up » no tena be mpitady indrindra. Mahatratra hatramin’ny 45 isan-jato ny tsenam-barotra izany. Manodidina ny 120 tapitrisa ariary hatramin’ny 250 tapitrisa ariary ny tetibidin’ny fiara  » Pick up » iray. Miara miasa amin’ny Telma ny Groupement des Concessionnaires Automobile de Madagascar amin’ny fanatanterahana ny hetsika.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Voir Aussi

Fermer